Fandraharahana : Delegasiona Malagasy any Etats-Unis hanampy traikefa amin’ny varotra iraisam-pirenena
Dépêche 08 février, 14h, Mpandraharaha vehivavy miisa 5 no any New York amin’izao fotoana izao hanampy traikefa mahakasika ny tontolon’ny varotra iraisam-pirenena. Mpikambana ao amin’ny Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar izy ireo ary miara-dalana hatrany amin’ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy Fivmpama. Ao amin’ny TFO Canada no hanatanterahana izany, ny TFO Canada izay vondrona iray nitsangana hampitombo ny fahefan’ny orinasa madinika rehetra amin’ny alalan’ny fanondranana ny vokatra ho eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny tanjon’izy ireo tamin’ity dia ny hampitombo ny isan’ireo vehivavy mpandraharaha mahasahy miditra amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
