Dépêches

Toamasina : Vehivavy roa mpisoloky ho mpiasam-panjakana voasambotry ny polisy

29 Aprily, 13h00. Vehivavy miisa roa nisandoka ho mpiasan’ny ministera no nitety orinasa tao Toamasina ary maka vola, nilaza fa misy hetsika sosialy atao eo anivon’ny INTRA (INstitut National de TRAvail) izay rafitra iray eo anivon’ny Ministeran’ny Asa sy Fampananan’asa ary Làlana sosialy. Rehefa nahazo antso avy tamin’ireo tompon’andraikitry ny orinasa maromaro any an-toerana ny Talem-paritry ny Asa sy ny Fampananan’asa ary ny Lalàna Sosialy, dia nampandre ny mpitandro ny filaminana. Natao ny fanarahan-dia an’ireo olona ireo ka voasambotra tao amin’ny orinasa lehibe teo am-pakàna vola izy ireo. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisy eo anivon’ny Commissariat Central de Toamasina, raha toa ka manao antso amin’ny rehetra mba ho mailo hatrany ny ny Talem-paritry ny Asa sy ny Fampananan’asa ary Lalana sosialy aty Atsinanana.

Laisser un commentaire