Dépêches

Ankatso : fitokonan’ny mpianatra

Zandary iray no maratra vokatry ny tora-bato nataonà mpianatra manao fitokonana eny Ankatso androany. Nanomboka tamin’ny 10 ora maina teo ny sakan-dalana nataon’ireo mpianatra ary nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Miditra amin’ny andro faharoan’ny fitakiana vatsim-pianarana sy ny fanatsarana ny foto-drafitrasa eny amin’ny Anjerimanontolo izy ireo.

Laisser un commentaire