Ninie Donia: Tojo tsy fahasalamana amin’izao fotoana izao.
19 Aogositra, 14h15, Taorian’ny raharaha fitsarana izay nahazo ny mpanakanto Ninia Donia dia fantatra fa tojo tsy fahasalamana izy amin’izao fotoana izao. Nanomboka ny faran’ny herinandro ny 12 Aogositra teo I Ninie Donia no nandalo tsy fahasalamana. Manana areti-mitaiza goty izy, ary io no nihetsika ka namparefo ny fahasalamany, ary voatery nampidirina hopitaly ao Nosy Be avy hatrany.
