États-Unis : Waikiki, toerana misy toram-pasika malaza ao Hawaii
Tanàna iray ao Honolulu, renivohitry ny fanjakan’i Hawaï ao amin’ny morontsiraka atsimon’ny nosy Oahu ao États-Unis i Waikiki. Midika hoe « ranomamy miboiboika » io anaran-tanàna io. Sarahin’ny lakandranon’i Ala Wai amin’ny tanàna hafa ny toerana, lakandrano izay mivarina ao amin’ny ranomasimbe Pacifique amin’ny lalan’ny Ala Wai Harbo.
Toram-pasika malaza indrindra eran-tany ny Waikiki Beach izay hita ao Waikiki. Malaza noho ny onjany iva nefa mety amin’ny fanaovana « surf » ny toerana. Anisan’ireo nampiroborobo ny talentany tao an-toerana izao i Duke Kahanamoku izay sangan’ny taranja « surf » sady tompon-daka olympikan’ny lomano 100 m ny taona 1912 sy 1920.
