Royaume-Uni : Ny boky mandalina ny toe-karena nosoratan’i Adam Smith
Ny « Recherches sur la nature et les causes de la richesse des nations », notsorina hoe « Richesse des nations » no asa soratra malaza indrindra nataon’i Adam Smith. Nivoaka ny tamin’ny taona 1776 izy io ary voalaza ho boky maoderina voalohany momba ny toekarena.
Fakafakain’i Adam Smith ao amin’io boky io ny niandohan’ny firoboroboan’ny firenena samihafa toa an’i Angleterre sy Pays-Bas. Mamelabelatra lalan-tsaina ara-toekarena momba ny fizarana asa, ny varotra, ny vola, ny toetran’ny harena, ny vidin’ny entana amin’ny asa, ny karama, ny tombom-barotra ary ny fanangonam-bola izy ao anatin’izany. Mandinika ny ny rafitra ara-toekarena politika ihany koa fa indrindra « mercantilisme » sy « physiocratie » izy ao amin’io asa soratra io.
