ActualitésTsidika

Zava-dehibe amin’ny Merina ny fifanajana

Hita teo amin’ny faritraAnalamanga eo amin’ny vohitra avo indrindra eto Madagasikara izany fahiny. Ny Indoneziana no niavian’ny foko merina. Avy any Asie atsimo antsinanana no nipoiran’izy ireo. Araka ny tantara dia nisy tantsambo avy any Indonésie nanori-ponenana teto Madagasikara. Tamin’ny taonjato fahavalo ka hatramin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo no nisian’izany. Taty aoriana, niampy ireo Malezianina, Filipianina, Polinezianina ireo Indonezianina taty aoriana. Hita taratra amin’ny endriky ny mponin’Imerina ny fiavian’izy ireo. Eo ihany koa ny fomba amam-panao manahaka ny avy any Indonezia toy ny famadihana. Hita taratra ihany koa ny maha foto-tsakafon’ny Malagasy ny vary. Toy izany ihany koa ny an’ny Indonezianina. Ny fomba fitenin’ny Malagasy avy ao amin’ny foko Merina no fiteny Malagasy ofisialy nanomboka tamin’ny 1823. Ny teny indonezianina sy ny teny malezianina no mitovy endrika sy fanonona amin’ny teny Malagasy.

Ringana tsikelikely ny kolontsain’ny foko Merina eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ny foko sasantsasany mihitsy aza. Ny tsy fahafantaran’ny olona ny amin’ny tokony hitahirizana ny kolontsaina hananana no anton’izany. Manana ny mampiavaka azy ny foko tsirairay. Ary tokony hitazona ny maha izy azy avy ny tsirairay. Tokony ho tandrovana hatrany ny hasin’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao. Tokony ho reharehan’ny fokony tsirairay avy ny Malagasy. Ilaina ny fanajana ny kolontsaina Malagasy mba hanehoana ny mahamalagasy ny tena. Tsy tokony ireo vahiny no hanjaka eo amin’ny taniny na ny foko misy eto Madagasikara. Ny isam-paritra na ny isam-poko noho izany no mila mitandro izay mba azy. Anisany harena ihany koa ny fahasamihafana eo amin’ny mpiray tanindrazana.

Laisser un commentaire