Faharatsin’ny lalam-pirenena : Miteraka voka-dratsy maro
Misedra olana vokatry ny faharatsian’ny lalana ny toerana maro eto Madagasikara ankehitriny. Miankina amin’ny fahatsaran’izany anefa no mampiroborobo haingana ny fandrosoana na tsia. Vokatrin’ny faharatsian’ny lalana, miaka-bidy ny vokatra rehetra avy amin’io toerana ratsy lalana io. Mitarazoka ela ihany koa ny fanondranana ka mahatonga fatiantoka, na ho an’ny mpitatitra izany na ho an’ny tompon’ny vokatra. Ekena fa misy ny ezaka hataon’ny minisitera tompon’andraikitra amin’ny fanamboarana ireny toerana ireny. Ny olana ahiana anefa, eo ny asa zara fa vita, ka mety mahatonga ny rano miandrona izay isan’ny manimba tanteraka ny lalàna, indrindra taorian’ny fotoam-pahavaratra teo. Anisan’ny ahitana izany ny any amin’ny lalam-pirenena faha-6, faha-44, sy ny maro hafa tsy voatanisa. Nahatalanjona ny maro ny fahitana lalam-pirenena azo nilomanosana tao amin’ny tambazotran-tserasera. Maro ireo fiara be mpitatitra vokatra no taraiky amin’ny toerana tahaka itony. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra, ahiana ho tapaka tanteraka ny ankamaroan’ireo lalam-pirenena. Vokatra hafa mety haterak’izany ihany koa ny fihenan’ny fiara mpitatitr’olona mihazo ny toerana iray, manampy izany ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana sy ny maro hafa. Mila jerena haingana ny vahaolana maharitra entina manarina ny lalam-pirenena efa simba tanteraka mba tsy hiteraka fatiantoka amin’ny olona maro.
Fanilo Rarivoarilala
