Vokatra litchis : 16 000 taonina ny vokatra haondrana any ivelany
Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny 17 novambra ho avy izao amin’ny 4 ora tolakandro ny taom-piotazana litchis ao amin’ny faritra Antsinanana sy Analanjirofo. Milanja 16 000 taonina ny vokatra haondrana any ivelany amin’ity taona ity raha toa ka 17 000 taonina ny tamin’ny taona lasa. Hiakatra ho 1 500 Ariary ny hakan’ny mpanondrana ny kilaon’ny vokatra amin’ny mpanangom-bokatra mandritra ny fotoam-piotazana. Manodidina ny 1 000 Ariary hatramin’ny 1 200 Ariary kosa izany teo aloha. « Tsara ny kalitaon’ny litchis tamin’ity taona ity ary tsy hanondrana vokatra ratsy kalitao ho an’ny any ivelany isika », hoy Laurent Jean Maurice, tale misahana ny foto-drafitrasa sy fampandrosoana ao Antsinanana. « Azo lazaina ho tsara, tsy araka ny noeritreretina, ny vokatra tamin’ity taona ity na dia nisy fahatarana ary ny firotsahan’ny orana », hoy Charles, mpandraharaha.Ho an’i Toamasina manokana, efa misy ny « guichet unique » ahafahan’ny mpandraharaha maka ny fahazoan-dalana hanangona sy hanondrana litchis. Samy ahitana izany avokoa ny faritra tsirairay. Omena fahazoan-dalana manokana ny fiara mpitatitra ny vokatra hialana amin’ny fisavana matetika sy hisorohana ny fahasimban’ny vokatra eny an-dalana. Efa mivoaka ny lisitry ny hetra tokony alohan’ny fiadidiana sy faritra tsirairay momba ny io fanondranana litchis io. Ho an’ny fiara latsaky ny 1,5 taonina, 130 000 Ariary ny hetra aloha. Ho an’ny fiara latsaky ny 3 taonina, 160 000 Ariary izany ary 180 000 Ariary ho an’ny fiara latsaky ny 6 taonina. 200 000 Ariary ny hetra alohan’ny fiara latsaky ny 10 taonina ary 220 000 Ariary kosa raha mihoatra izany. « Ho hentitra ny faraha-maso ny fanarahan-dalàna », raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Takiana amin’izany ny fahazoan-dalana, ny fanamarinana ny fandoavana ny hetra isan-karazany ho an’ny mpanangom-bokatra, mpitatitra sy mpandraharaha manondrana ny vokatra. I Europe, i Russie, i Singapour ary Dubai ny manafatra ny vokatra litchis eto Madagasikara. Hanomboka ny 17 novambra ihany koa, arak’izany, ny fanondranana ny vokatra amin’ny alalan’ny fiaramanidina ho an’ny mpandefa izany any ivelany.
Andy Rafidimanana
