Nihemotra ny fiaingan’ny Maki
Nanomboka ny sabotsy lasa teo ny lalao « Trophée Barthès U20 de rugby à XV » tao Kenya, izay nifandoanan’i Kenya sy i Sénégal. Nifarana tamin’ny isa 50-3 io lalao io. Tokony handray anjara amin’izany i Madagasikara, izay ao anatin’ny vondroana A, ahitana an’i Kenya, Sénégal ary Namibie ihany koa.
Nisy fahatarana kosa ny fahatongavan’ny ekipa Malagasy. Amin’izao volohan’ny herin’andro izao izyireo no vinavinaina igadona ao Nairobi. Ary hifanandrina avy hatrany amin’ny Kenya sy Sénégal raha nisafidy ny tsy hanatanteraka ny lalao ny Namibie. Izay mibata fandresena betsaka indrindra amin’ity fifanitsanana ity kosa no hiatrika ny fifaninana iraisam-pirenena manaraka. Na izany aza hita fa tsy mbola mahaoraka toy ny fanaohanan’ny Malagasy ny baolina kitra ny rugby.
Hasina Rasamimanana
