Ambohimanambola : Nizara fifaliana sy fanomezana ho an’ny mpiray tanàna
Nisy ny fizarana fifaliana sy fanomezaana ho an’ireo mponina ao Ambohimanambola ny talatan’ny Paska 2022 teo. Hafaliana no nandraisan’ireo mponina izany avy main’ny B Lain Production. “Ny fifampizarana eo amin’ny samy mpiray tanindrazana no tena ilaina. Izay afaka manohana aloha dia manohana. Tsy afaka hiandry ny mpitondra foana, isika eny ifotony no tena mahita ny fahorian’ny hafa” hoy i Alain, mponina ao Ambohimanambola. “Efa hetsika fanaonay foana ny mifanohana amin’ny mponina sy ny kaominina eto Ambohimanambola. Hitohy hatrany izany fanampiana sy fifanomezan-tanana ny manodidina izany” hoy i Guillaum, avy ao amin’ny B Lain Production. Teo ihany koa ny ezaka nataon’ity sampana iray mpikarakara lanonana ity ho fanampiana ny CEG Ambohimanambola. Ny fihetsika tahaka izany no tena andrasana amintsika olom-pirenena tsirairay afaka manatanteraka izany.
Nicole Rafalimananjara
