Marofarihy Manakara : Tokantrano miisa 250 no nisitraka herinaratra avy amin’ny herin’ny Masoandro
Fiaraha-miasa iray indray no tanteraka teo amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo sy ny Orinasa “We light” tamin’ny alalan’ny fanolorana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny Masoandro tao amin’ny amin’ny Kaominina Ambanivohitra Marofarihy, Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinany ny fiandohan’ity herinandro ity. Araka ny volaza dia tokantrano miisa 205 no hisitraka herinaratra avy amin’ity tobim-pamokarana vaovao ity. Tonga nanatrika ny fanolorana ireo fitaovana ireo ny Minisitra mpiahy.”Tanjona ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina , ho fampandrosoana ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy. Mahatratra 50 izao no Kaominina Ambanivohitra sy Fokontany efa misitraka herinaratra, amin’ny alalan’ity fiaraha-miasa ity. Hiisa 100 izany mialoha ny faran’ny taona 2023 ary 170 amin’ny Volana Jona 2024.” Hoy ny avy amin’ny Ministera.
“ Mankasitraka anareo mpitondra tsy nanadino ny fisianay aty Ambanivohitra aty ka namaly ny hetahetanay ,nanolotra izao fitaovana izao hahafahanay mahazo herinaratra tsy andoavana sarany isam-bolana.” Hoy i Feno raim-pianakaviana. Araka izany dia Faritra maro eto Madagasikara no mbola hisitraka ity tetikasa famatsiana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo madio azo havaoizina ity. Ny fampiasana angovo azo avy amin’ny Masoandro tahaka izao dia manampy amin’ny fiarovana sy ny fikajiana ny tontolo iainana ary koa manatsara ny harikarenan’ny tokantrano mampiasa azy.
Miranto Andrih
