ActualitésTsidika

Alasora : Miparitaka ny rano maloto an’elakelan-trano

Miparitaka ny rano maloto amin’ny fokontany Androka, kaominina Alasora. Manahirana ireo mpampiasa ny lalana ny fisian’izany rano maloto no mamotaka izany, indrindra fa ireo mpianatra madinika. Efa misy ny fanadiovana ataon’ny fokontany sy ny kaominina, araka ny voalaza fa ireo fako miparitaka no manentsina ny lakan-drano.

« Samy tompon’andraikitra amin’ny fanadiovana sy ny fidiovana avokoa na ny mponina na ny kaominina. Tsy tokony hanarinary ny fako eny rehetra eny aloha voalohany indrindra raha tsy tiana ho tsentsina ny lakan-drano ary tokony hifampitaiza amin’ny fahadiovana ny rehetra » hoy i Noeline, tomponandraikitra misahana ny fanadiovana.

« Anisan’ny tatatra mora tsentina tokoa io ary na misy aza ny fanadiovana, hita miverina hatrany ny fahavoazana ary amin’izao fotoana efa miparitaka eo ihany koa ny fako. Tena hanano sarotra no handalo eo rehefa tonga ny orana » hoy i Amandine, mponina ao Alasora.

Anisan’ny fifampitaizana tokony hisy ao anaty fiaraha-monina ny resaka fanadiovana sy fahadiovana. Tsy tokony hifampiandry manoloana izany satria manana andraikitra ny olom-pirenena tsirairay hanadio sy hitandro ny fahadiovana eny amin’ny tandrify azy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire