Talata Volonondry: Nitondra fampahafantarana teny ifotony ny ministry ny fitsarana
Tonga teny anivon’ireo mponina tao amin’ny kaominina Talata Volonondry ny avy ao amin’ny ministera misahana ny fitsarana, tamin’ny herinandro teo. Nitondra famppahafantarana mahakisa ireo paik’ady sy famahana ny olana isan-karazany, eo amin’ny sehatra ara-panjakana, araka ny voalaza.
« Zava-dehibe ny fampahafantarana ny vahoaka ireo paik’ady sy ny zavatra tokony ho fantany manoloana ireo olana isan-karazany. Ao anatin’izany ny olana amin’ny fananan-tany, ny mahakasika ny fanamarinam-pandovana, ny fanaovana kopia » hoy ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna.
« Hisaorana ny fitondram-panjakana nanatanteraka ny hetsika, fanantonana ny vahoaka mivantana. Afa-po ny vahoaka satria maro ireo fanontaniana nipetraka ka nahitam-baliny. Teo ihany koa ny fandraisana mivantana ireo fitarainana » hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny olana sedrain’ny mponina eny ifotony tokoa ny tsy fahampian’ny fahalalana sy ny fampahafantarana ka mahatonga hevi-diso tsy mampandroso. Mila entanina amin’ny fahasahiana sy ny fampandraisana andraikitra araka izany ny mponina.
Manitra R.
