ActualitésTsidika

Fahasalamana: Haverina ny hetsika vaksiny faobe hiadiana amin’ny lefaka hozatra

Haverina sy hampiroboroboana indray ny hetsika vaksiny faobe hiadina amin’ny aretina lefaka hozatra. Nanodidina ny 200 teo ny tranga hita teto Madagasikara ny taona 2022. Anisan’ny nahatonga ziany ny fikorontanana tamin’ny fanafarana vaksiny nadritra ny valan’aretina. Eo ihany koa ny fahalainan’ireo Ray aman-dReny hitondra ny zanany noho ny tsy fisian’ny fanentanana. Araka izany dia mila haverina farany izay haingana indray ny hetsika manerana ny Nosy.

“Marihina aloha fa efa voafehy ny aretina talohan’izao ka noho ireo olana isan-karazany dia tsy maintsy ny famerenana ny vaksiny faobe indray no vahaolana. Mila atomboka haingana ny fanaovana vakisiny faobe manerana ny Nosy indrindra amin’ny zaza tsy mbola nahazo izany. Efa natomboka nadnritra ny trail urbain ny 30 aprily teo moa izany”, hoy ny avy ao amin’ny UNICEF.

Handray anjara amin’ny ady amin’ity valan’aretina ity ihany koa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Natombok’izy ireo tamin’ny fandraisnaa anjaratamin’ny “trail urbain” izany. “Miisa 4 000 ireo mpianatra nandray anjara tamin’ny hetsika. Nandray anjara mivantana tamin’ny hazakazaka ny 300 rehefa avy nanao fizaham-pahasalamana ka nahazo alalana. Mitentina 5 000ariary ny saram-pandraisana anjara tamin’izany. Ny tombony azo tamin’iny dia harotsaka manontolo amin’ny « fonds polio international » entina hamatsiana ny hetsika fanaovana vakisiny”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazama-pirenena.

Miara-dalana amin’izany hetsika maro isan-karazany izany dia ireo Ray aman-dReny mihitsy no tokony ho resy lahatra amin’ny fanaovam-bakisiny. Tokony ho foanana eny amin’ny fiarah-monina eny ny vaovao diso sy ny tsaho manodidina ny karazam-bakisiny. Hamafisina araka izay vita ny serasear fanentanana sy fampahafantarana ny tena marina.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire