Iran : Namoy ny aina ilay lehilahy maloto indrindra eran-tany
I Amou Haji no voatondro ho maloto indrindra eran-tany. Tsy nandro nandritra ny 50 taona mahery ary nipetraka lavitrin’ny fiaraha-monina. Taolataolam-biby kosa no sakafo nentiny namokisan-tena.
Namoy ny ainy teo amin’ny faha 94 taonany, ny 25 oktobra teo io lehilahy maloto indrindra eran-tany io. Raha ny tatitrin’ny gazety Mehr ao Iran dia tsy nandro mihitsy i Amou Haji fa natahotra ny narary. Nanamafy izy ireo fa tsy nandairan’ny hatsiaka no tsy nandairan’ny hafanana io lehilahy io. Ny fitiliana natao tamin’ity farany dia nanambara fa salama tsara ny tenany na dia niara nonina tamin’ny fako sy ny fatim-biby aza izy.
