ActualitésTsidika

Anjeva: Nahazo ny anjarany tamin’ny jiro manaza ny tanàna ny fokontany Faliary

Nahazo ny anjarany tamin’ny jiro manaza ny tanàna ny fokontany Faliary, kaominina Anjeva. Jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 11 no napetraka tao an-toerana. Ny ben’ny tanàna mivantana hatrany no tonga, nandeha teny ifotony nanolotra sy nametraka ireo jiro ireo ho an’ny mponina.

“Mbola ao anatin’ny hestika ben’ny tanàna mitety vohitra hatrany; jiro miisa 11, entina manazava ny tanàna ao amin’ny fokontany Faliary no nahazo  ny anjarany dia ny vohitra Morarano Faliary, Ambolotara ary Ambohimahasoa. Nisy ihany koa ny fizarana biskoitra ho an’ny ankizy madinika nandritra izany, ary toy ny fanao mahazatra dia nisy ny fifampiresahana tamin’ireo fokonolona mahakasika ny asa hatao manaraka” hoy ny ben’ny tanàna.

“Ny fihezahana manakaiky vahoaka ny tena zava-dehibe mba hahafantarana ireo filàna ilain’ny mponina. Etsy ankilany, ireo mponina dia tokony hiezaka hatrany ho sarotiny sy hikoja ny tolotra izay omena azy” hoy I Niry, mponina ao Anjeva.

Tsy mbola hifarana ny hetsika fa mbola hitohy hatrany, araka ny voalaza. Hisitraka hazavana avokoa ireo fokontany ao anatin’ny kaominina Anjeva ary samy hahazo ny anjara tombotsoany avy ny mponina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire