Russie : Nankatoavin’ny Duma State 100% ny fampidirana faritra 4 ao amin’ny firenena
Nankatoavin’ny Duma State na parlemanta foiben’i Russie 100% ny 3 oktobra tamin’ny alalan’ny fitsapankevi-bahoaka ny teo ny fampidirana ny faritra efatr’i Ukraine ho faritr’i Russie. Voakasik’izany i Zaporijjia, Kherson, Lougansk ary Donetsk.
Tsy ankatoavin’i Ukraine nefa fanampahan-kevitra io ary tsipahin’ny fiombonambe iraisam-pirenena. Manoloana izany dia mbola manohy ny fanafihany amin’ireo faritra efatra ireo ny tafik’i Ukraine.
