Tontolo Iainana : Mila fanaraha-maso ny zanakazo nambolena
Nisy ny fanaraha-maso sy ny fanosohana natao tamin’ireo zanakazo novolena tao Amparafana, Mahanoro, ao amin’ny faritra Atsinanana. Mahatratra 85% ny taham-pahaveloman’ireo zanakazo ireo, izay novolena tamin’ny 19 janoary ireo.
« Misy, ary mitohy hatrany, ny fanaraha-maso sy fanosohana ireo zanakazo novolena nandritra izany. Novolena tamin’ny velaran-tany mirefy 25ha izany. Nahomby koa ny fambolena vihin-kazo miisa 139 000 tamin’ny velaran-tany mirefy 50ha » hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritra Atsinanana misahana ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy.
« Entanina isika rehetra tsy hanao ambanin-javatra ny fanaraha-maso ireny fambolen-kazo nataontsika ireny, hiantohana ny fahaveloman’ireo zanakazo. Mitohy hatrany ny ezaka ho fanarenana ny tontolo iainana ho an’ny fandrosoana lovainjafy » hoy ny Ministry ny tontolo iainana, Vina Orléa.
Dingana iray tokony ho atao aorian’ny fambolen-kazo tokoa ny fanaraha-maso ny faniriny mba tsy ho zava-poana ny ezaka. Ilaina ny fikolokoloina ireo zanakazo nambolena.
Nicole Rafalimananjara
