Sosialy: Manamafy ny fandraisany andraikitra ny ECPAT France
Maherin’ny 500 ny isan’ireo tanora efa noraisin’I Ecpat France antanana, tanora sy ankizy iharan’ny herisetra ara-nofo izany. Araka izany dia mbola hanamafy ny fandraisany andraikitra eto Madagasikara hatrany izy ireo aorian’izao. Ny tanjon’izy ireo amin’izany moa dia ny hanafoana tanteraka izany fanararaotana ara-nofo hatao amin’ny ankizy izany.
“Folo taona izay no nihorenana teto Madagasikara. Mbola misy hatrany ireo ankizy raisina an-tanana. Manamafy ny ady izahay satria ny hanafoana isa trangan-javatra ratsy io indrindra no himasoanay. 400 tamin’ireo ankizy 570 noraisina an-tanana amin’izao no tena efa harahinay maso ary efa nahavita ny lalana fanarenana azy ireo”, hoy ny avy ao amin’ny Ecpat France.
“Mankasitraka ny amin’ny fandraisana andraikitra satria raha tsy nisy azy ireo tsy nahasahy izahay na ny hiresaka mahakasika izany eny amin’ny mpianatra aza. Amin’izao fotoana izao ny mpianatray efa mahay manavaka sy miarotena amin’ny karazana fanararaotana amin’ny endriny rehetra. Amin’izao moa izy ireo mbola eo foana ary mbola manampy anay hatrany”, hoy ireo mpampianatra avy any amin’ireo faritra tena ahitana fisehon’ity tranga ity betsaka indrindra.
Folo taona amin’ity taona ity ny Ecpat France eto Madagasikara. Mbola eto hatrany izy ireo ary mbola vonona hanampy ny ankizy na lahy ion a vavy.
Miora Raharisolo
