Fampianarana : Tsy zarizary ireo efitrano fianarana ao Betsiriry Ambanja
Fampianarana manaraka ny fenitra ho an’ny mpaianatra rehetra eraky Madagasikara, izany dia anisan’ny tanjona ao anatin’ny Vinan’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD). Misy kosa anefa ireo toerana sasany mbola tsy misitraka izany.
Mianatra amin’ny sekoly tsy zarizary ireo mpianatra ao amin’ny EPP Betsiriry ao Ambanja amin’izao fotoana izao. Trano falafa izany ary efa tena simba tanteraka, efa azo lazaina ho mianatra amin’ny sekoly tsy misy rindrina ireto mpianatra ao amin’ity EPP ity ankehitriny. Efa potika ihany koa anefa ireo fitaovana ampiasiana ao amin’izany sekoly izany ka na ireo mpianatra aza dia manjary kamo.
« Nanao fangatahana efa fotoana maro izahay tamin’ny tompon’andraikitra eto amin’ny faritra fa hatreto dia toa tsy misy mihaino izany, mieritreritra moa izahay fa tsy rarahian’izy ireo mihitsy fa noho ny fitsinjovana ireo ankizy dia tohizanay araka izay fahafahanay ny fampianarana zy ireo » hoy ny mpampianatra ao amin’ny EPP Betsiriry. Halefanay mianatra kosa ireto zanakay hoy ireo Ray aman-dReny fa « kamo izy ireo ny andeha noho io foto-drafitr’asa tsy zarisary io, tsy mitombona akory ny sain’ireo ankizy mahita ny olona mandala » hoy ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra. Nanamafy ny tokony hijerevana ny hatrany amin’ny alavitra andriana rehetra any ity mpahay fiaraha-monina iray ity nanoloana izany rehetra izany : « tokony atao mitovy daholo ny mpianatra rehetra fa tsy ny any andrenivohitra ihany satria zon’ny ankizy ny hianatra ary indrindra indrindra, zony ny hianatra amin’ny sekoly manara-penitra toy ny ankizy rehetra ».
Endrika fitondrana tsara tantana ny fampitoviana ny olompirenena rehetra amin’ny lafiny rehetra, tokony himasoana izany hisian’ny fampandrosoana miaraka. Fototra iray ho amin’ny fampandrosoana ny fampianarana ka tsy tokony hatao ambanin-javatra.
Miora Raharisolo
