Brésil : Amanda Nunes, mpikatroka MMA anisan’ny mahay indrindra
Vehivavy mpikatroka MMA avy ao Brésil i Amanda Nunes. Teraka ny 30 aprily 1988 tao Pojuca, État de Bahia izy. Teo amin’ny faha 19 taonany izy no nanomboka niditra teo amin’ny sehatrin’ny matihanin’ny UFC ary mikatroka ho an’ny UFC ny tenany amin’izao fotoana. Efa tompondaka azy indroa tao amin’izany izy.
Mbola manana ny anaram-boninahitra eo amin’ny sokajy « poids plume » ihany koa izy nanomboka ny taona 2018 ary ny « poids coq » nanomboka ny taona 2016 hatramin’ny 2021 izay nandresen’i Julianna Pena azy. Toy ny ankahamaroan’ireo mpikatroka amin’io taranja io dia nanomboka tamin’ny haiady ihany koa Amanda Nunes. Teo amin’ny faha 7 taonany izy no nanomboka ny karate, nampiany jiu-jitsu brésilien kosa teo amin’ny fahatanorany, ary efa nivohy ny boxe sy judo ihany koa.
Anisany porofo mivaingana i Amanda Nunes fa taranja malalaka ho an’ny rehetra ny MMA. Mpikatroka miaraka amin’ny olona mitovy fananahana aminy mantsy izy ary naneho ampahibemaso sy ny fanambadiany tamin’ny taona 2018 niaraka tamin’i Nina Ansaroff, avy any Etats-Unis, mpikatroka MMA ihany koa.
