ActualitésTatitra

France : Tsy nahazo famotsorana ilay lehilahy namono ny zana-badiny

Lehilahy iray 35 taona, voaheloka namono ny zana-badiny no nangataka famotsoran-keloka. Raha tsiahivina dia tao Vignoc, Ille-et-Vilaine no niseho ny tranga ny volana aogositra 2022 teo. Mamo io lehilahy io no niditra tao an-tokantranony manodidina ny 2 maraina.

Rehefa tafiditra tao an-trano izy dia nahita ny zana-badiny mbola nilalao finday. Nanomboka nibedy azy ilay lehilahy ary nibaiko azy nandeha natory. Namaly nefa ilay tovolahy ary nilaza fa tsy misy tokony hibaikony azy satria tsy rainy izy.

Tezitra mafy ilay ray kely noho izany ary novonoiny ilay tovolahy. Voadona mafy teo amin’ny lohany nefa ity farany ka namoy ny ainy. Vosambotra ilay lehilahy taorian’izany saingy nilaza fa tsy ninia namono io zana-badiny io ka nangataka famotsoran-keloka izay nolavin’ny fitsarana.

Laisser un commentaire