ActualitésTatitra

Maldives : Tontosaina ny sabotsy izao ny fifidianana filoham-pirenena

Tontosaina ny sabotsy 9 septambra izao ny fifidianana filoham-pirenena. Marihana fa niverina nirotsaka amin’izany i Ibrahim Mohamed Solih, 61taona izay nitondra nanomboka ny taona 2018. Tsy nampoizina ny fahatongavany teo amin’izany toerana izany ary firenena tao anaty krizy taorian’ny dimy taona nisian’ny fitondrana islamista tsy refesi-mandidy napetrak’i Abdullah Yameen no novantaniny.

Raha tsiahivina dia nigadra nohon’ny fanodikodinam-bola io filoha teo aloha Abdullah Yameen io. Niankin-doha tamin’i Chine tanteraka ny tenany nandritra ny fitondrany ary niala tamin’ny Commonwealth. Niezaka nanarina izany kosa ny filoha Ibrahim Mohamed Solih izay nanatsara ny sri-dokatenan’i Maldives tamin’ny alalan’ny fametrahana fifandraisana tsara tamin’ireo firenena tandrefana.

Miaina fitomboana ara-toekarena tohanan’ny fizahan-tany sy ny jono indray ny nosy noho io filoha io saingy manana mpifaninana hatahorana ihany koa izy dia ny filohan’ny antenimierampirenena, Mohamed Nasheed.

Laisser un commentaire