ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Nizara fitaovam-pianarana ny Association sportive Everest

Nizara fanampiana ho an’ireo mpianatra afaka fanadinam-panjakana ny tao an-toerana ny Association sportive Everest, avy ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahan’izy ireo ny fizarana izany.

“Ny baolina kitra sy ny fianarana dia tsy afaka misaraka, noho izany indrindra, ny fikambanana dia anisan’ny manosika sy mandrisika ny ankizy hanovo fianarana. Teto dia ireo ankizy afa-panadinana BEPC, CEPE ary baccalauréat no nozaraina fitaovam-pianarana. Ireo telo voalohany tamin’ny taom-pianarana lasa ihany koa dia nisitraka izany” hoy ireo avy amin’ny Association sportive Everest.

“Anisan’ny manampy betsaka ny ray aman-dreny izao fanomezana omen’ny fikambanana izao. hisaorana  azy ireo satria mamporisika ny ankizy hanao ezaka amin’ny tsara kokoa hatrany” hoy i Vero, renim-pianakaviana.

Ezaka fanohanana ny ankizy izao ataon’ny fikambanana izao no famporisihana azy ireo hanao ezaka hatrany amin’ny fianarana. Hafaliana moa ny an’ireo ankizy nandray izany fanampiana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire