ActualitésTatitra

La Réunion : Tompon-dakan’i frantsay ny Judo +78kg i Léa Fontaine

Mbola mampiakatra ny lazany eo amin’ny taranja Judo i Léa Fontaine, tovovavy avy ao La Réunion. Nandray anjara tamin’ny fiadiana ho tompon-dakan’i frantsay notontosaina ny 6 novambra teo izy ary nivoaka mpandresy tamin’ny sokajy +78kg.

Tamin’ny taona 2021 i Léa Fontaine no nahazo ny fandreseny teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena voalohany tamin’ny fiadiana ho tompon-dakan’i Europe 2021 tao Lisbonne. Lavo teo amin’ny famaranana manoloana an’i lay mpifaninana avy ao Turquie Kayra Sayit izy tamin’izany.

Laisser un commentaire