ActualitésTatitra

Argentine : Ny Mondial 2022 no handraisan’i Lionel Messi anjara farany

Nanao fanambarana i Lionel Messi fa ny fiadiana ho tompon-dakan’ny baolina kitra 2022 hotontosaina ao Qatar no fiadiana faha dimy sady farany handraisany anjara. Mbola mahatsiaro mahavita ara-batana izy raha ny fanazavany na dia mananika ny faha 36 taonany aza saingy tsy nahafapoa azy hoy izy ny « pré-saison »-ny tamin’ity taona ity.

Nilaza kosa ity mpilalaon’ny PSG ity fa mitaintaina izy manoloana ny fiatrehana ny Mondial nefa efa tsy mahandry izany. Efa vonona ihany koa izy ny kliobany saingy tsy manakana azy tsy hanoana an’i Argentine izany. Nilaza kosa i Lionel Messi fa tsy manam-pikasana hanao mpanazatra aorian’ny fitsaharany. Raha tsiahivina anefa dia nilaza tahaka izany ihany koa i Zinédine Zidane…

Laisser un commentaire