La Réunion : Fifidianana rezionaly fihodinana voalohany
Notontosaina omaly ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana “Régionale et Départementale” tany La Réunion. Miisa 666 022 no mpifidy nantsoina tamin’izao fifidianana izao. Ary tokony nisafidy tamin’ireo lisitra 11 tamin’ireo faritra sy tamin’ireo 127 “binômes” tamin’ireo faritra ihany koa ny mponina any an-toerana. i Didier Robert aloha no nitarika ny isa betsaka satria nahazo vato 31, 10% nanoloana an’i Huguette Bello izay nahazo 20, 74% raha i Ericka Bareigts no nahazo ny 18, 48% tamin’ireo mpifidy nisoratra anarana. Tamin’ireo “binômes” kosa dia i Eric Ferrère sy i Louise Simbaye izay nahazo ny vato 60, 3%.
