ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mpiasa nangalatra tamin’ny mpampiasa azy, tratran’ny zandary

Mpiasa, mpanampy an-trano, nangalatra entana tamin’ny mpampiasa azy no tratran’ny zandary avy ao Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo, rehefa natao ny fikarohana azy. Araka ny voalaza, namoaka fahitalavitra « 42 pouces » antsokosoko ity mpanampy an-trano ity, ny andron’ny 04 novambra, tao amin’ny trano niasany ary nandositra. Tratra ihany anefa izy rehefa nanao ny asany ny zandary tao Ambohimangakely.

« Rehefa nanao ny ezaka tamin’ny fikarohana sy ny fanangonam-baovao ny avy eto amin’ny fitandroana ny filaminana dia nahita vokany. Ny marainan’ny 05 novambra no tratra teny Ambohimahitsy ity mpanampy an-trano ity ary noentina avy hatrany nohadihadiana niaraka tamin’ny olona miaraka aminy. Fantatra tamin’izany fa anisan’ny ati-doha nikotroka ny halatra ihany koa ity farany » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Ilaina ny fahamailona amin’izao fotoana izao, tsy kely lalana ny ratsy ary olona tsy ampoizina no mahavita izany. Ilaina ny fiaraha-mientana amin’ny fanenjehana ny mpanao asa ratsy tahaka izao, ary tokony omena ny sazy sahaza azy mba tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony » hoy i Fara, mponina ao Ambohimangakely.

Mirongatra ny trangana tsy fahandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao, ary miseho amin’ny endriny maro samihafa izany. Tsy mifidy saranga ihany koa ny mpanao asa ratsy. Ilaina dia ilaina ny fiaraha-mientan’ny daholo be manoloana izany, ary tokony samy handray andraikitra mba hitandroana ny fandriam-pahalemana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire