ActualitésTatitra

Japon : Tambazana vola hiala an’i Tokyo ny mponina

Maherin’ny 14,2 tapitrisa ny mponina ao Tokyo, renivohitr’i Japon, izany hoe 6 511 mponina isaky ny km2. Noho ny fahafenoan’ny renivohitra dia nanapa-kevitra ny hanentana ny mponina hiala ny faritra an-drenivohitra ho any amin’ny faritra ambanivohitra ny governemanta. Manoloana izany dia vonona ny hanome 1 tapitrisa Yens (34 tapitrisa Ar) isaky ny zaza ao amin’ny fianakaviana iray vonona hiala ny renivohitra izy ireo.

Voakasik’io tolotra io avokoa ny tanàna 23 ao amin’ny renivohitra sy ny faritra manodidina azy. Kaominina 1 300 isa kosa no efa nisoratra anarana handray ireo mponin’ny renivohitra ireo. Marihana nefa fa misy fepetra ny fisitrahana io vola io dia ny fanekena ny hijanona 5 taona no ho mihoatra any amin’ny toeram-ponenana vaovao ary miasa ao an-toerana. Raha toa ka miala ny tanàna latsak’izay 5 taona izay ireo mponina dia mamerim-bola.

Laisser un commentaire