ActualitésTsidika

Fanatanjahantena : Tsy maintsy ho atao eto Madagasikara ny Lalaon’ny Nosy

Araka ireo sihosihondresaka isan-karazany manoloana ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasim-be Indianina dia nanambara ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena fa tsy maintsy raiketina eto Madagasikara izany lalao izany. Maro ireo milaza ny mety ho tsy handraisan’ny Madagasikara indray ity lalao ity. Nanome toky araka izany ny Ministera fa tsy maintsy ho tanteraka izany.

« Efa mandroso ny asa ary tsara ny manamarika fa efatra volana eo sisa dia ho tonga io andro malaza io. Tsy misy hataorana ny amin’izany ary disoana tanteraka izany tsaho miely etsy sy eroa izany. Miasa andro aman’alina ny Ministera sy ireo tompon’andraikitra tsirairay ahafahana mandray izany lalao lehibe izany. Mbola maro ireo asa tsy maintsy vitaina saingy mbola malalaka ihany koa ny lalana », hoy ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Lalao lehibe izany Lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indianina izany izay miditra amin’ny andiny faha-11 amin’ity taona ity. Mahavory olona aman’arivony io lalao io ka ny asa izay tena mbola miandry dia ny fanamboarana na fanarenana ireo simba amin’ireo trano handraisam-bahiny. Eo ihany koa ny fanitsiana ireo misy fahasimbana eny amin’ireo Kianja handraisana ny Lalao.

Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny Lalao ihany koa ny fandraisana ireo Federasiona isan-tsokajiny sy ny fanomanan-tenan’ireo mpilalao ireo amin’izao fotoana izao. Amin’ity herinandro ity dia efa hatomboka ny fampivondronana ireo mpilalao handball raha misy kosa ireo mpandray anjara izay hanoman-tena any ivelany. Izany rehetra izany dia hatao ahafahana miaro ny voninahi-pirenena izay mpampiantrano rahateo.

Hatao eto Madagasikara araka izany ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasim-be Indianina ny 23 ogositra hatramin’ny 3 septambra izao. Ao anatin’izany dia efa hampiomanina sahady ny Malagasy rehetra amin’ny fanohanana ireo solon-tena Malagasy rhetr ami’ny lalao ian-karazany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire