France : Maro ireo mpitandro ny filaminana naratra noho ny fihetsiketsehana tao an-toerana
Feno herisetra tanteraka ny fihetsiketsehana tao Paris ny 1 may teo. Raha ny tatitry ny ministeran’ny atitany tao an-toerana dia 108 ny polisy sy zandary naratra vokatr’izany ary tao Paris ny roapolo mahery tamin’ireo. Mpikambana iray ny « compagnie d’intervention » no naratra mafy vokatry ny « cocktail Molotov » nandritra io fihetsiketsehana tao an-drenivohitra io raha ny fanazavana.
Tsy fahita izany mpitandro ny filaminana maro maratra ny 1 may izany hoy i Gérald Darmanin. Tetsy ankilany dia nanamafy izy fa olona 291 ihany koa no voasambotra nandritra io andro io, izay tao Paris ny 90. Raha tsiahivina kosa dia efa tany amin’ny 150 taona lasa tany nisy io fihetsiketsehana isaky ny 1 may io. Fombafomba tao Etats-Unis norasain’i France izany, atao an-dalambe ary hihetsiketsehan’ireo ireo mpiasa manoloana fandraisana andraikitry ny sendikà izany.
