ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Hisy ny hetsika fikarakarana kopia faobe

Hisy ny hetsika fikarakarana kopia faobe izay atolotry ny kaominina Ambohimanambola, ny sabotsy 30 septambra ho avy izao. Ireo ray amandreny manan-janaka tsy manana kopia nahaterahana no voakasika ao antin’izany, arak any voalaza.

“Ireo ray amandreny manan-janaka tsy manana koipa fahaterahana no antsoina amin’ity hetsika fikarakarana kopia faobe eto amin’ny kaominina ity. Misy ny fisoratana anarana atao ao amin’ny biraon’ny kaominina araka izany, ao amin’ny varavarana faharoa, manomboka ny alatsinainy 04 septambra ka hatramin’ny alarobia 20 septambra” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Mbola maro ireo zaza teraka tsy misitraka ny kopia nahaterahana eny amin’ny fokontany, izany indrindra no mamporisika ny tomponandraikitra, hanentana ireo ray aman-dreny hanatanteraka izany satria zon’ny zaza ny fananana izany ary andraikitry ny ray amandreny ny mampisitraka ny zanany ny kopia” hoy hatrany ny fanazavana.

Dingana voalohany amin’ny fanatanterahana ny hetsika moa ity fisoratana anarana ity. Ny 30 septambra kosa no hanatanterahana ny fitsarana izany, izany tsy maintsy hatrehan’ny ray aman-dreny.

Manitra R.

Laisser un commentaire