France : 2% hatramin’ny 3% amin’ny mponina no tratran’ny aretina « Nash »
Aretina ateraky ny haninkanina na ny « malbouffe » ny aretina « Nash » (Non-Alcoholic SteatoHepatitis) fantatra kokoa amin’ny anarana hoe « maladie du soda ». Napetraka io anarana io noho ny fahitana ny trangan’aretina tamin’ny ankizy sy olon-dehibe niery nisotro zava-pisotro nisy « gaz » tao Etats-unis.
Ny « stéatose » na ny fahatavezan’ny aty no miteraka aretina « Nash ». Ny fahararian’ny aty no fisehony voalohany. Mangididihidy mafy izay tratrany avy eo, mangana, mandeha ra kely, mibotsina ny kibo ary mamoaka lalan-dra miendrika tranon-kala.
2% hatramin’ny 3% ny mponina ao France no tratran’io aretina io. Efa maneho soritr’aretina misy fahasarotana ny sasan-tsasany amin’ireo dia ny tazovony, ny tsy fahasarotana miteny izay toetry ny « encéphalopathie hépatique » sy fahasarotan’ny « complication de la cirrhose ».
Tsy misy ny fanafody manasitrana io aretina io. Ny fanaovana fanatanjahantena sy ny fihinana sakafo ara-pahasalamana ihany no fomba fisorohana azy.
