ActualitésSportTsidika

Alasora: Fandaharan-dalao baolina kitra faran’ny herinandro

Mitohy hatrany ny fifaninanana baolina kitra, tournoi du Maire 2023 ao amin’ny kaominina Alasora. Eny amin’ny kianja Est Mahazoarivo indray no hanatanterahana ny lalao amin’ny alahady 10 septambra izao, araka ny voalaza.

“Manomboka amin’ny 09ora maraina, ny ekjipan’ny fokontany Ankadievo sy Ampahibato no hisantatra ny kianja amin’ny alahady. Manaraka azy ao any fokontany Mendrikolovana hifandona amin’ny Est Mahazoarivo ary amin’ny 02ora sy sasany Ambohitromby hifandona amin’ny fokontany Ambohimanarina” hoy ireo mpikarakaza.

“Mahafinaritra foana ny lalao ara-panatanjahantena, indrindra fa ny lalao baolina kitra ho an’ireo mpankafy sy mpilalao izany. Hisaorana hatrany ny tomponandraikitra tsy nanao izany ho ambanin-javatra fa manome sehatra ny tanora” hoy i Fidy, mpilalao baolina kitra.

Mandroso hatrany ny lalao baolina kitra ao amin’ny kaominina Alasora. Mitohy hatrany ihany koa ny fifanitsanana ao anatin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire