Ambohitromby Bongolava: Lehilahy iray 66 taona mpanamparitaka vola sandoka tratra
Lehilahy iray 66 taona mpanamparitaka sy mpanao vola sandoka no saron’ny mpitandro filaminana tao Anosibe, kaominina Ambohitromby distrikan’i Fenoarivo. Tao aorinan’ny antso nataon’ny olon-tsotra manoloana ny tranga fampiasana vola sandoka teo an-tanana ny 27 oktobra teo. Nanao fikarohana sy fidinana ifotony ireo mpitandro filaminana. Sarona nandritra izany ilay lehilahy lehibe mpanao vola sandoka.
“Naharay antso avy tamina olona tsy nintonona anarana ny mpitandro filaminana ny marainan’ny 27 oktobra teo. Nahita sy nahatsikaritra fisiana vola sandoka miparitaka teny an-toerana ireo olona. Tsenam-barotra iray no lasibatra nandritra izany.” hoy ny tompon’andraikitra.
“Nanao fidinana ifotony avy hatrany ny Zandarimaria tao aorinan’ilay antso. Natao ny fikarohana sy ny fanadihadiana tamin’ireo manodidina ny toerana nitrangan’ny loza. Napetraka ny velam-pandrika rehetra ka Lehilahy iray no sarona izay mbola nahitana vola sandoka 20.000 ariary miisa 18 tany aminy. Nosamborina avy hatrany izy tao aorian’izay. Mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana azy manoloana izao zava-mitranga izao.” hoy ny avy ao amin’ny Zandarimaria.
Mitohy hatrany ny fikarohana sy ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana. Manentana ny rehetra hatrany izy ny amin’ny fampandrenesana azy manoloana ny tranga mampiahiahy toa itony.
