Ambohimangakely : Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny fianarana teny Frantsay
Mitohy hatrany ny fisoratana anarana amin’ny fianarana teny frantsay any amin’ny BTC Ambohimangakely. Maharitra telo volana ny fampianarana.
« Isaky ny talata sy alakamisy amin’ny 9 hatramin’ny 11 ny fianarana. Misy ny fizarana ny mari-pahaizana amin’ny faran’ny fampianarana » hoy i Diamondra, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Tena ilaina foana ny mahay teny vahiny. Efa tafiidtra ao anatin’ny tontolon’ny fanatontoloana isika izao. Ny teny frantsay no tena ilaina amin’izao raha te hahita asa » hoy i Elodia, tanora avy any Ambohimangakely. Mirary tokoa ny saram-pianarana raha mitaha ny hafa. Eny Ambohimangakely akaikin’ny gallodrome no misy ny BTC Ambohimangakely.
Nicole Rafalimananjara
