Sakafo : Azo atao ody ambavafo tsara ny mofo voatavo
Sakafo tsy be mpankafy ny voatavo. Sakafo mafilotra kosa anefa ny mofo voatavo. Ahoana ny fanamboarana azy ? Tsotra nefa tsara ity sakafo atolotra ity.
Ireto avy ny taharo ilaina amin’izany : voatavo 250 g, atody 2, siramamy 175g, lafarinina 250 g, miampy menaka sy rano. Andrahoina amin’ny rano kely aloha ny voatavo vao potserina. Afangaro amin’ny atody voakapoka sy siramamy ary lafarinina izy avy eo rehefa voapotsitra tsara. Mahazo paty malefaka tsara avy eo na asiana rano raha to aka mavesatra loatra ilay koba. Endasina amin’ny menaka araka izay tiana avy eo. Tsara raha tsy asiana leviora ny mofo voatavo satria efa ampy azy ilay atody roa. Azo aroso amin’izay ilay mofo miaraka amin’ny ronono na izay tiana.
Nicole Rafalimananjara
