ActualitésTsidika

Alasora : Tontosa ny fizarana kopia maimaimpoana

Nisy ny hetsika fizarana kopia faobe ho an’ny ankizy latsaky ny 18 taona tao amin’ny Kaominina Alasora, ka ankizy miisa 430 no nisitraka izany. Teny amin’ny Kianja maitso teny Alasora no nanatanterahana izany fizarana izany ary mbola hitohy hatrany ny hetsika tahaka izao ato amin’ny Kaominina.

« Betsaka ireo ankizy tsy manana kopia ato amin’ny kaominina izay miteraka fikatsoana maro eo amin’ny fanomanana ny hoaviny ny tsy fisian’izany ka ho ezahina ho ampitomboina hatrany ny hetsika ahafahan’izy ireo misitraka kopia maimaimpoana » hoy ny ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy. « Tena sarotra izany manao kopia izany rehefa mihoatra ny andro nahaterahana, sady tena mitaky vola be, ka isaorana ny kaominina nikarakara hetsika tahaka izao » hoy i Berthine, renim-pianakaviana nitondra ny zanany tamin’ity hetsika ity.

« Ny kopia no ahafahan’ireo ankizy misitraka ny zony feno eto amin’ny firenena. Ny kopia ihany koa no ahafahana miaro azy raha misy olana. Betsaka ny zo tsy ananan’ny ankizy izay tsy manana kopia » hoy i Lanto, mpahay lalàna. Raha ara-panjakana tokoa dia ny fanoratana ny zanaka ara-panjakana no hilazana fa olom-pirenena izy, ary afaka misitraka zo maro sy afaka misafidy ara-dalàna. Ny zaza any am-bohoka mantsy izao no tsy manana safidy ka na vonoina aza dia tsy afaka miteny fa ny velona manana kopia kosa dia manan-jo ho arovana eo ambony lalàna sy afaka miteny sy mitaraina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire