Tontolo iainana: Tany mirefy 45 000ha harenina, hiadiana amin’ny fihotsahan’ny tany
Tafiditra amin’ny andiany faha enina amin’izao fotoana izao ny PLAE izay natomboka ny herinandro lasa teo. Araka izany dia tany mirefy 45 000ha indray no harenina manerana ny Nosy hiadiana amin’ny fihotsahan’ny tany. Hiparitaka amin’Ny toerana miisa 20 io tany harenina io amin’ity andiany fahaenina ity. Tafiditra amin’ireo firenena iharan’ny fiovaovan’ny toetr’andro izay misy fiatraikany ratsy amin’ny vokatra fambolena sy manohintohina ny fiveloman’ny tokantrano I Madagasikara. Araka izany dia tsy maintsy hatao laharam-pahamehana ity programan’asa ity.
“Ny tanjon’ny tetik’asa hatramin’izay dia ny fanalefahana ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fiarovana ny tany sy ny tany azo volena ary ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo ho an’ny vahoaka Malagasy. Tsy azo ihodivirana intsony ireo tanjona ireo amin’izao fotoana izao. Ny faritra Amoron’ i Mania, Betsiboka, Boeny, Haute Matsiatra ary Ihorombe no hanatanterahana ity PLAE 6 ity izay hiparitaka amin’ny fokontany miisa 20”, hoy ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Tsy vitan’ny Ministera irery anefa ity asa ity fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny vondron’olona ifotopny izy ireo. “Manana adidy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana avokoa ny rehetra ka izay indirndra no hampandraisana anjara ireo mponina any amin’ireo toerana hisian’ny tetik’asa”, hoy hatrany ny fanazavana.
Tsar any manamarika fa ny tetikasa PLAE 6 dia narafitra manodidina ny singa 4, ny ala: fambolen-kazo ho an’ny isam-batan’olona sy ny kaominina, fiarovana ny sisa tavela amin’ny tontolo iainana, agroforestry sy ady amin’ny fihotsahan’ny tany, fanatsarana ny kijana maharitra sy fiarovana ny tany.
Miora Raharisolo
