Fitantanam-bola : Hiantohan’ny fanjakana ny hetra sy ny haba amin’ny fanondranana ireo fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana ilay vola dimampolo ariary
Dépêche 01juin, 11h, Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanondranana ireo akora rehetra ilaina amin’ny fanamboarana ireo vola volamena dimampolo ariary. Marihina fa any Turquie no hanatanterahana ny fanamboarana ireto farany ireto. Tafiditra ao anatin’ny fanondranana vonjimaika ihany ity hetsika ity, haverina eto Madagasikara ireo volamena rehefa vita ny fanontana ireo vola ireo. Ny anton’ny fanontana ireto vola dimampolo ireto dia ho mari-pahatsiarovana ny faha-dimampolo taonan’ny Banky Foiben’I Madagasikara.
