Alasora: Hisy ny didim-poitra sy fanalana nify simba maimaim-poana ao amin’ny CSMA II
Hisy ny hetsika ara-pasalamana maimaim-poana atao eny amin’ny ivon-toeram-pitsaboana Mamindra Aina (CSMA) Ankadindratombo, kaominina Alasora, ny sabotsy ho avy io. Hetsika fanaovana didim-poitra sy fanalana nify simba, izay maimaim-poana avokoa no atolotry ny ivon-toerana amin’izany, araka ny voalaza.
“Hanentanana ny rehetra izay liana amin’ny hetsika ara-pahasalama ho tanterahana eto amin’ny ivon-toerana, ny fanaovana didi-foitra sy fanalana nify, fa misy ny fisoratana anarana mila atao mialoha hatramin’ny rahampitso zoma” hoy ireo tomponanadraikitra ao amin’ny ivon-toerana.
“Ivon-toerana anisan’ny manara-penitra, izay vao nijoro vao tsy ela ity ivon-toeram-pitsaboana ity kanefa efa misokatra amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona. Hisaorana ireo tomponandraikitra ary hirariana mba ho maro ny tahaka izany ka hisitraka fahasalamana avokoa ny rehetra” hoy i Freddy, mponina ao Ankadindratombo.
Marihina fa eny amin’ny ivon-toerana ihany no hanatanterahana izany fisoratana anarana izany. Tsy mifidy saranga kosa, fa natao ho an’ny sokajin-taona rehetra ny fanalana nify amin’izany, na ankizy na ny olon-dehibe.
Manitra R.
