ActualitésTatitra

Maurice : Voasambotra ny talen’ny Mauritius-Telecom taloha sy ny vadiny

Nosamborina ny alatsinainy teo tao amin’ny trano fonenany ny talen’ny Mauritius-Telecom taloha, Sherry Singh sy ny vadiny. Voarohirohy amin’ny famarotana varahana 22 taonina avy amin’ny orinasa ho an’ny kaontiny manokana ao amin’ny « fonderie Tradeway International Ltd ».

Notontosaina ny talata teo kosa ny fitsarana azy ireo ary efa andrasana ny didim-pitsarana. Antontan-taratasy momba ny kaonty nampiseho ny fifandraisan’i Sherry Singh sy ny « fonderie » izay nanatsonika ireo varaha ho « lingot » kosa no nifotoran’ny ahiahy tamin’io tale teo aloha io. Olona teratany Indien telo izay nitsoaka kosa no voarohirohy miaraka aminy ao anatin’ity raharaha ity.

Tanana am-ponja vonjimaika ao Alcatraz kosa i Sherry Singh raha mihidy ao amin’ny biraon’ny polisy ny vadiny.

Laisser un commentaire