ActualitésTsidika

Mpanara-maso ny kalitao sy ny vidin’entana 30 no halefa hiparitaka manerana ny nosy

Nahitana fiakarana midangana be ny vidin’entana manerana ireo faritra sasany eto Madagasikara toy ny eto andrenivohitra. Na dia efa maro aza ireo mpanara-maso nalefan’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa-tanana hitsirika nnny vidin’entana eny amin’ireo tranom-barotra sy tsena. 30 isa ireo vao namita fianianana ka halefa hiparitaka manerana ny nosy hanampy ireo efa amperin’asa amin’izao fotoana. Rehefa nanaraka fiofanana nandritra ny 2 taona izy ireo, izay ahitana lehilahy 17 sy vehivavy 13 izao nahavita fianianana izao. Hijanona eto Analamanga ny 6 amin’izy ireo raha toa ka hanndefa any amin’ny faritra hafa ireo 24 hafa hanampy ireo 170 izay efa manantanteraka ny asany amin’izao fotoana. Hanara-maso ny kalitaon’ny entana sy ny vidiny eny amin’ireo tranom-barotra sy tsena isan-karazany no andraikitr’izy ireo. Efa tafakatra 336 izy ireo amin’izao fotoana no miparitaka manerana an’i Madagasikara anefa mbola maro ihany ireo tranom-barotra mampiakatra ny vidin’entana tsy manaraka ny fenitra ara-barotra. Tsy mahavita ny asany ara-dalàna ve ireo nampiandraiketana ny andraikitra sa ireo mpivarotra no efa tsy manara-dalàna ?

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire