Fiaraha-miasa eo amin’ny kabinetran’ny filoha lefitry ny antenimieran-doholona sy ny Youth Society Madagascar Branch
Ao anantin’ny tetik’asa fanomezan’asa ireo tanora izay liana amin’izany ny faritra maro eto Madagasikara amin’izao fotoana. Anisan’ny efa nahazo anjara tamin’izany ny tao amin’ny faritra Fianarantsoa tamin’ny fanorenana orinasa fanangonana sy fanodinana diky, toy izany koa ny any faritra Sofia amin’ny fanorenana orinasa mamokatra siramamy gasy. Ho fanampiana izay hatrany, nanao sonia fiaraha-miasa miaraka amin’ny Youth Society Madagascar Branch ny kabinetran’ny filoha lefitry ny antenimieran-doholona any amin’ny faritra avaratry ny nosy ao anatin’ilay tetik’asa « Vintana ». Tetikasa izay miompana amin’ny fampiofanana sy fanampiana ireo tanora hitrandraka ny talenta sy ny fahalalany.
Ezahina haparitaka any amin’ny faritra avaratry ny nosy ao anatin’ny roa taona ity tetikasa ity fa kosa hisitraka izany voalohany amin’izao fanombohany izao ny tanora ao Nosy Be. Mampisy fanantenana ny amin’ny fihenan’ny tahan’ny tsy fananan’asa eo amin’ny tanora ny tetikasa toy itony ary irariana ny hisiany manerana ireo faritra maro eto Madagasikara izay efa hita taratra fa tafalatsaka tanteraka ao anatin’ny fahantrana. Mety hisy fiantraikany ihany koa eo amin’ny lafiny fandriam-pahalemana ny fanomezana asa sy fampiofanana ireo tanora izay, efa tsy vitsy no miharoboka manao asa ratsy.
Ally Herisoananahary
