ActualitésTatitra

Cameroun : Fikambanana iray handray andraikitra manoloana ny fahalotoan’ny renirano Wouri

6 tapitrisa taonina isan-taona ny fako mivoaka avy ao Cameroun ka ny 600 000 taonina amin’ireo fako plastika avokoa. Ny ankamaroan’ ireo matetika izay fako tsy azo haodina sy havaozina intsony fa manimba ny tontolo iainana fotsiny. Ankehitriny, tsy ny tany malalaka ihany fotsiny no voakasik’izy ity fa hatramin’ny reniranon’i Wouri ao Douala, iray amin’ireo renirano tena maloto aty Afrika ankoatra an’i Nil sy Niger. Mba hanatsarana ny toe-draharaha sy hisorohana ny fitomboan’ny loto, ny fikambanana Matanda Ecotour izay midika hoe “les amis de la mangrove”, nidina an-tsehatra izy ireo tao anatin’ny roa taona izay mba hanadio ny reniranon’i Wouri izay tena feno fako plastika. Hatreto, fako plastika manodidina ny 12 400 kg no efa voahala tao sy voaangon’ity fikambanana ity.

Laisser un commentaire