Maurice : Rangahy 43 taona nanolana ankizivavy 13 taona
Voasambotra ilay rangahy mipetraka any Baie du Tombeau, 42 taona, ny sabotsy lasa teo noho ny famiravirana ny zanaka vavin’ny iray tampo aminy, 13 taona. Niezaka nividy ny fahanginan’ity zazavavy ity ihany izy tamin’ny vola Rs 200. Nametraka fitarainana tany amin’ny polisy tao Baie du Tombeau anefa ilay niharan’ny herisetra niaraa tany amin’ny reniny. Araka ny nambaran’ilay niharan-doza dia ny 4 jona namonjy tsingerin-taona tao amin’ny bungalow tany Baie du Tombeau. Ary tamin’izay indrindra no nanaovan’ilay dadatoany ny fikasihana azy ka izao voasambotra izao ihany.
