France : Isan’ny firenena mahasarika indrindra any Europe
Mitana ny laharana voalohany amin’ny firenena mahasarika ny mpampiasa vola indrindra any Europe alohan’i Royaume-Uni sy i Allemagne i France ankehitriny. Na dia eo aza ny krisy nateraky ny Covid-19 dia nitana ny laharana voalohany hatrany i France. Nahavitra tetik’asa miisa 985 i France raha 975 ny an’i Royaume-Uni ary 930 ny an’i Allemagne. Tao anatin’ny telo taona izao no isan’ny nahasarika ny mpampiasa vola tokoa i France.
