Japon : Handefa marika famatarana eny amin’ny lanitra amin’ny « Blue Impulse » amin’ny fanokafana ny lalaon’ny Nosy
Hametraka soratra boribory maneho ny « anneaux olympiques » miisa 5 teny amin’ny lanitra ny ekipan’ny Blue Impulse miaraka tamin’ny setroka miloko amin’ny andro fanokafana ny lalaon’ny Nosy izay hotontosaina any Tokyo amin’ny volana ambony. Ireo fiaramanidina hanao izany no hisidina hanodidina ny kianja eo amin’ny renivohitra izay hanatanterahana ny lalao ny 23 jolay izao. Miloko manga, mavo, mainty, maitso ary mena ny setroka hosoritana eny amin’ny lanitra amin’izany. Hanome fahafaham-po mandritra io fanokafana ny lalao ny avy ao amin’ny Blue Impulse satria efa nanao izan foana nandritra ny lalaon’ny nosy tany Japon ny taona 1964 sy Nagano ny taona 1998, fanokafan-dalao maro hafa ihany koa no efa noravahan’izy ireo araka ny alalana azy.
