I Max Fontaine no isolo-tena ny tanora Malagasy
24 Jona, 09h55. Voasafidin’ny Firenena mikambana isolo-tena ny tanora Malagasy fanomanana ny fihaonam-be faha-26 mahasika ny fiovan’ny toetry ny andro ny Milan ny volana septambra izao. Izy dia nanangany ny orinasany manokana antsoina hoe Bôndy. Baomiavotse Vahinala Raharinirina, ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra no nilaza izany tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny pejy fesibokiny. Miverina indray ny fanaovana fandraikirekena Vehivavy iray andeha haka entana eny Behoririka no tratran’ny fandraikirekena teo amin’ny Petite vitese. “Miara tamin’ny zanako kely aho ary Nisy ramatoa mihaja be niteny taminko hoe misy manaraka ianareo mianaka . Niherika aho ka nahita lehilahy 02 hafahafa , dia hoy ilay ramatoa avy aloha amboary eto pokotranao” araka ny nambarany. Nafindra toerana avokoa ireo vola ary nampita arabe azy ilay ramatoa, “tsy tompon’ny tenako aho raha tsy niala ny tanan’ilay ramatoa, nefa efa tsy taty amiko intsony ny vola” hoy izy hatrany.
